4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ankehitriny - Ny Antsa Fitiavana

Raha nandinika ny fiainako aho

lany herim-po, fananana koa

tamin’ny fiheverana ny hoaviko

kanefa tsisy izay voka-tsoa.



Ny ahy moa raha toa ho tantaraiko

ahiahy tsisy fiadanam-po

nihevitra aho hatramizay hoe mpanompo koa

hay moa fahazarana avokoa



Ankehitriny fantatro izao tsy ireny no ilainao

fa ny tena sy ny fo madio no iangavinao omeko anio

iangavinao omeko anao.

Ankehitriny iainako izao fahasoavana omenao

ankehitriny tsapako tokoa

’zany atao hoe fiadanam-po (2 fois)



Mba maniry aho raha toa sitrakao

amin’ny andro ho avy mbola omenao

tsy hanao toy ny taloha tsy mba hanin-droa

fa hametraka aminao zay manjo



Ka ampifaliana tokoa no anolorako izay ahy avy ao am-po

ny dera ny saotra anao Tompoko

fa tsara indrindra ianao, fa tsara indrindra ianao.



Ankehitriny...

Partager ankehitriny

Commenter ankehitriny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite